۞ وَاِنْ جَنَحُوْا لِلسَّلْمِ فَاجْنَحْ لَهَا وَتَوَكَّلْ عَلَى اللّٰهِ ۗاِنَّهٗ هُوَ السَّمِيْعُ الْعَلِيْمُ
wa in janaḥū lis-salmi fajnaḥ lahā wa tawakkal ‘alallāh(i), innahū huwas-samī‘ul-‘alīm(u).
Fa raha mirona amin'ny fihavanana izy ireo dia ekeo izany ary matokia an'i Allah. Marina tokoa fa Izy no Mandre ny zava-drehetra sady Mahalala ny zava-drehetra.
اِلَّا الَّذِيْنَ عَاهَدْتُّمْ مِّنَ الْمُشْرِكِيْنَ ثُمَّ لَمْ يَنْقُصُوْكُمْ شَيْـًٔا وَّلَمْ يُظَاهِرُوْا عَلَيْكُمْ اَحَدًا فَاَتِمُّوْٓا اِلَيْهِمْ عَهْدَهُمْ اِلٰى مُدَّتِهِمْۗ اِنَّ اللّٰهَ يُحِبُّ الْمُتَّقِيْنَ
illal-lażīna ‘āhattum minal-musyrikīna ṡumma lam yanquṣūkum syai'aw wa lam yuẓāhirū ‘alaikum aḥadan fa atimmū ilaihim ‘ahdahum ilā muddatihim, innallāha yuḥibbul-muttaqīn(a).
afa-tsy ireo mpanompo sampy izay nanao fifanarahana taminao ary tsy nampihena (ny votoatin'ny fifanarahana) na dia kely akory aza izy ireo ary tsy nanampy izay rehetra mankahala anao, dia tanteraho amin'izy ireo ny fampanantenany mandra-pahatongan'ny fotoana. Marina tokoa fa tian'i Allah ireo izay mivavaka.