حَتّٰىٓ اِذَا جَاۤءَ اَحَدَهُمُ الْمَوْتُ قَالَ رَبِّ ارْجِعُوْنِ ۙ
Ḥattā iżā jā'a aḥadahumul-mautu qāla rabbirji‘ūn(i).
(Toy izany no toe-javatra misy ireo tsy mino), mandra-pahatongan'ny fahafatesana amin'ny iray amin'izy ireo dia miteny izy hoe: "Ry Tompoko ô, avereno eto amin'izao tontolo izao aho",
لَعَلِّيْٓ اَعْمَلُ صَالِحًا فِيْمَا تَرَكْتُ كَلَّا ۗاِنَّهَا كَلِمَةٌ هُوَ قَاۤىِٕلُهَاۗ وَمِنْ وَّرَاۤىِٕهِمْ بَرْزَخٌ اِلٰى يَوْمِ يُبْعَثُوْنَ
la‘allī a‘malu ṣāliḥan fīmā taraktu kallā, innahā kalimatun huwa qā'iluhā, wa miw warā'ihim barzakhun ilā yaumi yub‘aṡūn(a).
mba hahafahako manao ireo asa soa navelako.” Mazava ho azy fa tsia! Raha ny marina dia fialan-tsiny fotsiny izany nolazainy izany. Ary eo anoloan'izy ireo dia misy barzakh mandra-pahatongan'ny andro hitsanganan'izy ireo amin'ny maty.