اِسْتَغْفِرْ لَهُمْ اَوْ لَا تَسْتَغْفِرْ لَهُمْۗ اِنْ تَسْتَغْفِرْ لَهُمْ سَبْعِيْنَ مَرَّةً فَلَنْ يَّغْفِرَ اللّٰهُ لَهُمْ ۗذٰلِكَ بِاَنَّهُمْ كَفَرُوْا بِاللّٰهِ وَرَسُوْلِهٖۗ وَاللّٰهُ لَا يَهْدِى الْقَوْمَ الْفٰسِقِيْنَ ࣖ
istagfir lahum au lā tastagfir lahum, in tastagfir lahum sab‘īna marratan falay yagfirallāhu lahum, żālika bi'annahum kafarū billāhi wa rasūlih(ī), wallāhu lā yahdil-qaumal-fāsiqīn(a).
(Toy izany koa) ianao (Mohammad) mangataka famelan-keloka ho azy ireo na tsy mangataka famelan-keloka ho azy ireo. Na dia mangataka famelan-keloka ho azy ireo impitopolo aza ianao dia tsy hamela ny helok'izy ireo i Allah. Izany dia satria tsy mino an'i Allah sy ny Iraka avy Aminy izy ireo. Ary i Allah dia tsy mitarika ny ratsy fanahy.
سَوَاۤءٌ عَلَيْهِمْ اَسْتَغْفَرْتَ لَهُمْ اَمْ لَمْ تَسْتَغْفِرْ لَهُمْۗ لَنْ يَّغْفِرَ اللّٰهُ لَهُمْۗ اِنَّ اللّٰهَ لَا يَهْدِى الْقَوْمَ الْفٰسِقِيْنَ
sawā'un ‘alaihim astagfarta lahum am lam tastagfir lahum, lay yagfirallāhu lahum, innallāha lā yahdil-qaumal-fāsiqīn(a).
Toy izany koa ho azy ireo, na mangataka famelan-keloka ho azy ireo ianao (Mohammad) na tsy mangataka famelan-keloka ho azy ireo, dia tsy hamela ny helok'izy ireo i Allah; Marina tokoa fa tsy hitarika ny ratsy fanahy i Allah.